TOVO_HOLY_TOAVINA IRINA_TENDRY ANDRAINA_MIAMINA ARIELA TEFISOA

 TOVO_HOLY_TOAVINA IRINA_TENDRY ANDRAINA_MIAMINA ARIELA TEFISOA

Teny niverina

 click eto dia hitanao ny teny TENY FEVRIER 2007, efa azoko io teny tamin'ny 2007 nefa niverina indray. Efa akaiky izany ny fahatanterahany., ny Tompo tsy maha ela ny teny fikasany.AMEN DIA AMEN

ity le teny : Deo:6:1-25

 

  1. [Ny amin'ny fitiavana an'Andriamanitra] Ary izao no lalàna, dia ny didy sy ny fitsipika, izay nasain'i YAHVEH Andriamanitrareo hampianarina anareo mba harahinareo any amin'ny tany izay alehanareo holovana, mba hatahoranao an'i YAHVEH Andriamanitrao, hitandremanao ny lalàny rehetra sy ny didiny izay andidiako anao, dia ianao sy ny zanakao ary ny zafinao, amin'ny andro rehetra hiainanao, mba ho maro andro ianao.
  2. Koa mihainoa, ry Isiraely, ka mitandrema hanaraka izany, mba hahita soa ianao, ary mba hitomboanareo indrindra, araka izay nolazain'i YAHVEH, Andriamanitry ny razanao, taminao, dia any amin'ny tany tondra-dronono sy tantely.
  3. Mihainoa, ry Isiraely: YAHVEH Andriamanitsika dia YAHVEH iray ihany.
  4. Ary tiava an'i YAHVEH Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra.
  5. Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao.
  6. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha any an-dalana, na mandry, na mifoha;
  7. ary fehezo ho famantarana eo amin'ny tananao ireny, ary aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin'ny handrinao,
  8. ary soraty eo amin'ny tolam-baravaran'ny tranonao sy eo amin'ny vavahadinao.
  9. Ary rehefa entin'i YAHVEH Andriamanitrao ianao ho any amin'ny tany izay nianianany tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao homena anao, dia tany misy tanàna lehibe sady tsara, izay tsy nataonao,
  10. sy trano feno zava-tsoa rehetra, izay tsy nofenoinao, sy lavaka famorian-drano voalavaka eo amin'ny vato, izay tsy nolavahanao, sy tany voavoly voaloboka sy hazo oliva, izay tsy nambolenao, ary mihinana ianao ka voky,
  11. dia mitandrema fandrao hadinoinao YAHVEH, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana.
  12. Matahora an'i YAHVEH Andriamanitrao ianao, ka manompoa Azy, ary aoka ny anarany no hianiananao.
  13. Aza manaraka izay andriamani-kafa amin'ireny andriamanitry ny firenena manodidina anareo,
  14. fa Andriamanitra saro-piaro eo aminao YAHVEH Andriamanitrao, fandrao hirehitra aminao ny fahatezeran'i YAHVEH Andriamanitrao, ka hofongorany tsy ho eo ambonin'ny tany ianao.
  15. Aza maka fanahy an'i YAHVEH Andriamanitrareo ianareo, tahaka ilay nakanareo fanahy Azy tao Masa.
  16. Tandremo tsara ny didin'i YAHVEH Andriamanitrareo sy ny teni-vavolombelony ary ny lalàny, izay efa nandidiany anao.
  17. Ary ataovy izay mahitsy sady tsara eo imason'i YAHVEH, mba hahita soa ianao ary mba hidiranao handova ny tany soa izay nianianan'i YAHVEH tamin'ny razanao homena azy,
  18. ary mba horoahiny tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, araka izay nolazain'i YAHVEH.
  19. Ary raha manontany anao ny zanakao amin'ny andro ho avy ka manao hoe: Manao ahoana moa ny teni-vavolombelona sy ny didy ary ny fitsipika, izay efa nandidian'i Jehovah Andriamanitsika anareo?
  20. Dia holazainao aminy hoe: Andevon'i Farao tany Egypta isika, ary tanana mahery no nitondran'i YAHVEH antsika nivoaka avy tany Egypta.
  21. Ary YAHVEHnanao famantarana sy fahagagana lehibe sady mandoza tamin'ny Egyptiana sy Farao ary ny ankohonany teo imasontsika.
  22. Ary nitondra antsika nivoaka avy tany Izy hampidirany antsika mba homeny antsika ny tany izay nianianany tamin'ny razantsika homena azy.
  23. Ary YAHVEH nandidy antsika hanaraka ireo didy rehetra ireo sy hatahotra an'i YAHVEH Andriamanitsika, mba hahita soa mandrakariva isika sy ho velona tahaka ny amin'izao anio izao.
  24. Ary ho fahamarinantsika ny mitandrina hanaraka izany didy rehetra izany eo anatrehan'i YAHVEH Andriamanitsika, araka izay efa nandidiany antsika.

    AMENA !AMENA !AMENA !AMENA !AMENA !AMENA !AMENA !AMENA !

 



22/10/2024
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 8 autres membres