TOVO_HOLY_TOAVINA IRINA_TENDRY ANDRAINA_MIAMINA ARIELA TEFISOA

 TOVO_HOLY_TOAVINA IRINA_TENDRY ANDRAINA_MIAMINA ARIELA TEFISOA

TENDRY ANDRAINA

Teraka tamin'ny alahady faha 27 Janvier 2008 tamin'ny 21 ora sy 25 mn ny zanakay. Tendry Andraina RAMANANTSOA no nataonay anarany. Efa natolotray an'i Jesoa Kristy avy any Nazareta ny fiainany.

 

Na ny fahazazany , ny fahatanorany, na izay ho fianarana na asa hataony rehefa lehibe dia efa napetrakay teo anatrehan'i Kristy Jesoa. Ny finoanay dia ny mba hahatonga azy ho miaramila mpanitatra ny fanjakan'Andriamanitra izy.

 

Tamin'ny 20 ora 30 no niainga nankany @ Hopitaly izahay ary tonga tany tamin'ny 20 H 50 . Avy nividy fanafody aho dia efa teraka i Tendry Andraina. Nanena in 3 fotsiny i Holy . Isaorana ny Tompo Kristy.

Nisy ireo ankizy tao amin'ny STK no tonga namangy ary nanome ny tenin'Andriamanitra anjaran'i Tendry.

 

Manantitra fisaorana ireo nitondra am-bavaka tamin'iny : Rado, Hoby, Dominique, Xavier fa tena azo tsampain-tanana ny valim-bavaka. AMEN!!!!!

Dada sy Neny ary Toavina dia mankasitra an'i Jesoa tamin'ny nataony an'i Tendry.HOMBA AN'i TENDRY ANDRAINA RAMANANTSOA  NY TOMPO AMIN'NY ANDROM-PIAINANY REHETRA .AMEN!AMEN!AMEN!

 

25 Fevrier 2008

Narary voan'ny gripa mahery Tendry ary tsy maintsy naiditra Hopitaly tamin'ny alakamisy faha 14 Fevrier 2008 tany @ réanimation, ary naharitra herinandro vao nivoaka, efa natahotra izahay fa ho faty mihitsy i Tendry dia nivavaka izahay, ary rehefa nanontany an'Andriamanitra ny anton'izany aho dia izao ny teny azoko : il s'assiéra, fondra et purifiera l'argent; Il purifiera les fils de Lévi, Il les épurera comme on épure l'or et l'argent, Et ils présenteront à l'Eternel des offrandes avec justice.
4  Alors l'offrande de Juda et de Jérusalem sera agréable à l'Eternel, Comme aux anciens jours, comme aux années d'autrefois. (ezekela 3 :3-4) . Io ny teny azoko talohan'ny nivoahan'ny ny Hopitaly
.
Isaorana ny Tompo tamin'ny zavatra rehetra nataony na izay noheverinay ho soa izany na izay noheverinay ho loza. DERAINA ANIE JESOA KRISTY MPANJAKA MAHERY.

27/07/09

Niverim-berina matetika ny aretin ny Tendry , ilay mikohaka ka saika lasa nivadika fahasemporana, nisy mpiandry nanoro hevitra anay hoe ento eny Itaosy eny vinany fa misy spécialiste eny dia tena isaorana i Kristy fa tena nihatsara i Tendry (tany @ volana mars tany).

I pastera no ataon'ny ankizy surnom n i Tendry satria na dia feno boky mitandahatra aza eo akaikin'ny baiboly dia ny baiboly foana no raisiny. Ho tonga miaramilan' i Jesoa Kristy ihany izy raha rehefa ao aoriana ao.AMENA

 

TAONA 2009

TAONA 2011



21/02/2008
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 8 autres membres