TOVO_HOLY_TOAVINA IRINA_TENDRY ANDRAINA_MIAMINA ARIELA TEFISOA

 TOVO_HOLY_TOAVINA IRINA_TENDRY ANDRAINA_MIAMINA ARIELA TEFISOA

Fijoroana vavolombelona 13/07/2011

Teny azo mialoha ny nanaovana opération an'i dada tamin'ny alarobia 13 Juillet 2011

 

Jeremia 30 : 12-24 12

 

Fa izao no lazain'i Jehovah: Maharary ny faharatrànao, Ary tsy azo sitranina ny ferinao. 13 Tsy misy handahatra ny teninao; Tsy manana plasitera fanasitranana hapetaka amin'ny ferinao hianao.[Na: Tsy misy mikarakara ny raharahanao hamoritana ny ferinao, Ary tsy manana plasitera fanasitranana hianao.] 14 Ireo tia anao dia efa nanadino anao avokoa, Tsy mba notadiaviny hianao; Fa famelin'ny fahavalo no namelezako anao, Dia ny famaizan'ny lozabe, Noho ny habetsahan'ny helokao Sy ny hamaroan'ny fahotanao. 15 Nahoana hianao no mitaraina noho ny faharatrànao Sy noho ny fanaintainanao izay tsy azonao atsahatra Fa noho ny habetsahan'ny helokao Sy ny hamaroan'ny fahotanao No nanaovako izany taminao. 16 Koa izay rehetra mihinana anao dia mba hohanina, Ary izay rehetra mampahory anao dia ho lasan-ko babo, Izay mamabo anao dia hobaboina, Ary izay rehetra mandroba anao dia hatolotro horobaina 17 Fa hotanterahiko ny fanasitranana anao, Eny, hositraniko ny faharatrànao, hoy Jehovah, Noho ny nanaovany anao hoe: Ilay noroahina, Sy hoe: Ziona tsy misy mpitady ity. 18 Izao no lazain'i Jehovah: Indro, hampodiko avy amin'ny fahababoana ny lain'i Jakoba, Ary ny fonenany dia hamindrako fo; Ka ny tanàna dia haorina ao amin'ny havoany, Ary ny lapan'andriana hitoetra ao amin'izay mahamety azy. 19 Ary hisy fisaorana sy feon'ny mifaly avy ao; Dia hahamaro azy Aho, ka tsy ho vitsy izy, Sady hanome voninahitra azy Aho, ka tsy ho ambany izy. 20 Ny zanany koa ho tahaka ny tany aloha, Ary ny fiangonany hampitoerina eo anatrehako, Dia hovaliako izay rehetra mampahory azy. 21 Ary ilay malazany dia ho avy ao aminy ihany, Ary ny mpanapaka azy dia ho avy ao aminy ihany koa; Ary hampanakaiky azy Aho, ka dia hanatona Ahy izy, Fa iza no sahy hanao ny ainy[Heb. fony.] ho antoka ka hanatona Ahy? hoy Jehovah. 22 Ary hianareo ho oloko Ary Izaho ho Andriamanitrareo. 23 He! ny tadion'i Jehovah! Mivoaka ny fahatezerana Sy ny tadio mitambolimbolina Ka miantonta amin'ny lohan'ny ratsy fanahy. 24 Ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah tsy ho afaka Ambara-panefany sy ambara-panatanterany ny hevitry ny fony; Mbola ho fantatrareo marimarina izany any am-parany.

FIJOROANA VAVOLOMBELONA TAO AORIAN NY OPERATION

 



19/07/2011
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 8 autres membres