TOVO_HOLY_TOAVINA IRINA_TENDRY ANDRAINA_MIAMINA ARIELA TEFISOA

 TOVO_HOLY_TOAVINA IRINA_TENDRY ANDRAINA_MIAMINA ARIELA TEFISOA

Fifidianana ho filohan'ny STK

Ity taona 2007 ity dia napetra hoe taonan'ny Fahasoavana sy Fandresena teo anivon'ny Fianakaviana RAMANANTSOA SIMON tamin'ny fotoam-bavaka natao tamin'ny voalohan'ny taona 2007. Izay rehetra niara-nivavaka tao ka mino izany dia tanteraka aminy izany.

I Tovo no nitondra ny fotoana tamin'io fotoana io.

Inoako (Tovo) tsy ampihampahambana io teny nentina io ary tsy maintsy tanteraka.

Niatrika ny fifidianana izay ho filoha hitantana azy mandritry ny 4 taona ny STK eto Ilanivato ka dia napetrak'Andriamanitra tamiko ny fitondrana.Tsy maintsy entina ny faneva eo amin'ny fametrahana ny fanjakan'Andriamanitra.Izaho dia fitaovana ampiasaina fotsiny.

Amen dia Amen

 

04/02/08

Herin-taona izay no naha voafidy ahy ho filohan'ny sampana, ny mission ho tanterahiko dia ny HAMOLAVOLA TANORA MATANJAKA ARA-PANAHY SY VATANA ARY SAINA ho miaramila tena mpandresin'i KRISTY, mahasahy hisedra ny devoly sy satana sy ny miaramilany satria EFA RESY tao KALVARY IREO AMEN, HANAO HO ADIDY ARY ANDRAIKITRA NY FITORIANA NY FILAZANTSARA AMIN'NY MPIARA-BELONA IZAY MIANTOMBOKA AO @ ANKOHONANA, FIANAKAVIANA ary NY FIRENENA. Toy izao ny fahazotoana tamin'ny 2007 tsindrio eto , ary raha hijery ny famintinana amin'ny graph (statistique) ny fahazotoana dia tsindrio eto

 

Tsapako fa tena tsy mora ny manara-dia an'Andrimanitra, maro ny sacrifice tsy maintsy atao, rehefa manara-dia an'i Jesoa, maro ireo fisedrana na eo anivon'ny sampana izany na eo anivon'ny fianakaviana. Tsy nampoiziko ho sarotra ny lalana izay ho diavina. Ny zavatra tsapaka dia rehefa manompo an'i Kristy dia tsy mahazo miantehitra amin'ny herin'ny tena (Saina, vatana, ....) fa tsy maintsy miantehitra amin' izy tompon'ny asa.

Izao ny hevitra nomen'Andriamanitra ahy @ taona 2008 ity:

1°] Hanao opération baiboly maimaimpoana ho an'ny ankizy tsy manana ao anaty sampana aloha dia izahay samy ankizy ihany no mifanohana ary rehefa vita ny ao anaty sampana dia mety entina eo anivon'ny fiangonana koa izany hevitra izany .

2°] Hasaina manangana alitara ao an-tokantrano ny ankizy rehetra

3°] Suivi amin'ny fananganana alitara isan-tokantrano.

"FANTATRAO VE ISAKY NY 77 SEGONDRA DIA MISY OLONA IRAY VERY ANY @ AFOBE IZANY NO NANOSIKA ANAY HITORY NY FILAZANTSARA.

 

Ry rahalahy sy anabavy , mba fantatrao ve handeha hoa aiz ianao raha hiala amin'ity tany fandalovana ity. Ho any amin'ny afobe ve sa ho any amin'ny paradisa hiaraka amin'i Jesoa Krsity . Raha hisafidy ny ho any amin'ny paradisa ianao dia ataovy izao vavaka izao (ataovy @ finoana)

 

 

Jesoa Kristy ô mihaiky aho fa mpanota tsy mendrika anao akory, mangataka ny rà izay nalatsakao tany kalvary aho mba hanadio ahy, vohaiko ny varavaran'ny foko ary midira ao anatiko ianao, ekeko ianao ho Tompoko sy Mpamonjiko.AMENA

 

 

Manomboka tamin'ny nanaovanao io vavaka io dia lasa zanak'Andriamanitra ianao ary tokony hanana fiainam-bavaka ary tokony hamaky baiboly araka izay vitanao. HOMBA ANAO ANIE JESOA KRISTY . AMENA

 

 

 


Zao vao afaka nanoratra eto, marina izay nolazaiko ao ambony ao fa tsy mora ny manompo an'i jesoa kristy fa maro ireo sedra tsy maintsy hatrEana. Tamin'iny taona 2008 ity no nahafaty any neny 4 andro tao aorian'ny anniversaireko sady izay indray niaraka maty izy mama ga . Simba ihany koa ny orinasa izay natsangako tany moramanga, nividy tanin-kinina 10ha tany moramanga aho ary dia niditra faillite , rava izay natsangako. Tsy nety nanao izay fomban-drazana aho tany(mamono akoho lahy , mandraraka taoka....) fa vavaka no nataoko alohan'ny nanombohan'ny asa  , 18 km miala ny ville Moramanga no nisy ilay toerana, làlana mankany Anosibe an'ala. Naratra ny mpiasa sasany, may ny lasy ny mpiasa sasany, kivy ireo mpiasa fa idiran'andro koa ny ankamaron'izy ireo, nisy ny nandeha nody. Mangony fotsiny ny aretina izay nahazo ny zanako , todiko ihany ny taona 2008 ary nahatratra ny taona 2009 ihany aho noho ny fitiavan'i Jesoa kristy.

Fa ity taona 2009 ity kosa dia taom-pandresena ity ho ahy, tsy nahalavo ahy satana fa manana mpiandry tsara aho, ary fanahy mahery no nomena ahy, efa nateraka ho mpandresy tahaka an'i jesoa kristy aho ary tsy maintsy mitaona olona hoa azy mandram-pialako eto an-tany. AMENA.

 Tsy maintsy vitako ny mission ao amin'ny sampana tanora kristiana ilanivato dia ny hamolavola tanora mahery ho an'i Jesoa Kristy handrombaka ny fanjakan eny an-tanan'i satana ary hamerina izany fanjakana izany amin'i Jesoa Kristy avy any Nazareta. Amena

 

07/09/09

Indro misy hafatra fohy ho antsika mpikambana ao amin'ny stk ilanivato

 






1 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 8 autres membres