TOVO_HOLY_TOAVINA IRINA_TENDRY ANDRAINA_MIAMINA ARIELA TEFISOA

 TOVO_HOLY_TOAVINA IRINA_TENDRY ANDRAINA_MIAMINA ARIELA TEFISOA

Ady natrehana Jiona sy Jolay 2018

Maro ny zavatra nanamarika ny volana jiona 2018, nahatondra olona maro tao amin'ny JESOA KRISTY aho, nanaiky izy ireo ny maha olona mpanota azy araka ny voasoratra hoe: Tsy misy marina na dia iray akory aza;(Rom :3:10),ka mila mibebeka ary  mila an'i JESOA hahazoany famonjena sy fiainana MANDRAKIZAY.

 

Tamin'ny tapatapaky ny volana Jolay 2018 dia nisy tamin'ireny olona nanaiky an'i JESOA ho TOMPO sy MPAMONJY ireny no nantsoin'i RAY hody any AMINY(Tonton Riry). Inoako fa efa ao amin'ilay JEROSALEMA vaovao izy izay.

 

Ary vao omaly alakamisy 2 Aout 2018 tamin'ny 16 ora 30 minitra dia nisy iray hafa nantsoin'i JESOA hody ihany koa. Naterinay tamin'ny alalan'ny vavaka teo anaterahan'ny JESOA izy omaly. Rehefa namaky salamo faha 23 izahay ary nivavaka , notohizana hatrany amin'ny salamo faha 26 dia natsahatra ny vavaka sy famakiana salamo fa LASA i Dadatoa Zaba. Tony dia tony izy teo amin'ny fanatrehan'i JESOA ary tsy nijaly. Mino sy manan-tena izahay fa efa eo akaik'i JESOA izy izay satria efa nanaiky AZY ho TOMPO sy MPAMONJY tamin'ny volana jiona 2018. Isaorana JESOA nampivahiny azy tety an-tany ary naka azy ho any amin'ilay toerana nambaran'i JESOA fa namboariny ho an'ireo olona izay tia AZY.

 

Mandalo ny fianana eto an-tany, ary mbola tian'i JESOA hitohy mandrakizay izay fiainana izay,izany ny antony nidinany tety an-tany hamonjy ny olona rehetra.

 

Mibebaha, minoa an'i JESOA , raiso ny famonjena raha te handova FIAINANA eo anilan'i JESOA KRISTY.

 

Hoy JESOA : Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao?


 

AMEN.

 

 



03/08/2018
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 8 autres membres