TOVO_HOLY_TOAVINA IRINA_TENDRY ANDRAINA_MIAMINA ARIELA TEFISOA

 TOVO_HOLY_TOAVINA IRINA_TENDRY ANDRAINA_MIAMINA ARIELA TEFISOA

TAONA 2018

Hametrahana ireo zavatra manamarika ity taona 2018 ity


TAFIKA MASINA tany Mbahita (Bekily)

TAFIKA MASINA tany Mbahita (35 Km miala Bekily)

 

 Nanantanteraka Tafika masina tany Ndahita izahay Mpiara mivavaka tamin'ny tapaky ny volana Septambara teo iny ka tany ambanivohitr'i Bekily, Eo amin'ny 35 Km eo ho eo. Enjana ny fitsapana natrehana teny an-dalana. Nampiseho ny maha TSITOHA AZY ilay MPAHARY ny tany sy ny lanitra (YHVH) tamin'ny  niarovany anay teny an-dalana na nandroso izany na tamin'ny nody ary nandritra ny Tafika Masina .

 

Ny apostoly Paoly in3 vaky sambo (2Kor11:25) Fa izahay indroa (2) vaky carter.

 

Ny iray tamin'ny vao handroso afaka 25 Km an'i Ihosy hanakany Betroka eo amin'ny toerana fisian'ny mpanafika, amin'ny 15h30mn eo nanomboka nanamboatra ka savony sy tanimena no nampiasana ary tamin'ny 16h30mn tany vao afaka teo. Nisy ireo nitokana am-bavaka, nisy ireo nanamboatra ny fiara ary dia vita soamantsara ihany.Namakivaky iny tampon'i Ihorombe iny tao anaty alina maizina sady mikitroka (tsy misy fiara mifanena intsony ) sady nandeha mora nitandritandrina an'ilay fiara tsy nijanona mihitsy fa nandeha foana mandrapahatonga tany Bekily. Nisaorana ny Tompo JESOA.

 

Ny fahavakisan'ny carter faha (2) dia tamin'ny niverina. Izany hoe teo anelanelan'ny Betroka sy Ihosy. Izahay moa tamin'ny niverina dia niainga tamin'ny 2 ora maraina tany Bekily ary tao Betroka no nisakafo antoandro.

Tamin'ny vao niainga maraina ny fiara dia efa nandeha ny rojom-bavaka tao anaty fiara narahan'ny famakiana Salamo tsy nijanona. Tonga soamantsara tao Betroka izahay ary rehefa niainga ho any Ihosy teo 2 na 3 Km tsy hidirana an'i Ankelivaha tamin'ny 16h30mn dia teo no nahavaky fanindroany ny carter ary very tsy  nisy menaka intsony. Izay fiara nandalo nahita anay dia niteny hoe ataovy izay hialanareo eo fa ratsy be io toerana io. Nandeha ny tolona am-bavaka isan-karazany, tao ny nitady vaha olana (hanamboarana ny carter, hanafatra menaka sns...).

Nalefa namonjy tanana (Ankelivaha)sahabo eo amin'ny 2 na 3Km nandeha an-tongotra ny vehivavy satria efa nanomboka ho hariva ny andro fa ny lehilahy kosa nijanona niandry ny fiara sy izay mety ho tohiny. Nandeha ny vavakay lehilahy , afaka 5mn indro ny camion citerne nandalo ary niangaviana mba hitarika ny fiara hamonjy tanana. Nahafinaritra ilay camion fa tsy nanisy olana mihitsy. Tanana nampiasan'EL SHADAY hamonjena anay indray indray izany iny. Nisy indray teo ny fidirana antsehatr'ilay TSITOHA .Ampahany ireo ary mora tantaraina fa enjana ny niaina azy, soa fa teo JESOA KRISTY niaro sy nivimbina anay.

 

Anisan'ny fitsapana ka nanehoan'i JESOA fa eo am-pelatanana ny zavatra rehetra dia ny fisian'ny fikasan'ireo dahalo hanafika ilay tanana izay nanaovana Tafika Masina. Andro alakamisy moa tamin'izay ary tsena ny andro (13/9/2018), ary feno olona mifamezivezy. Tonga eo daholo ny mpiantsena. Nitory filazantsara teny an-tsena izahay ary maro ny olona nanaiky an'i JESOA ho TOMPO sy MPAMONJY na dia nanano sarotra kely azy teo amin'ny fomba fiteny.

Ny hariva nandeha ny resaka fa hanafika io tanana io ny dahalo satria maro tamin'ireo mpanam-bola niantsena no tsy tafody ary anisan'ireo ho tafihin'ny dahalo koa izahay Mpanao Tafika Masina. Nandeha ny nivavaka izahay, nandefasana sms ny namana taty Antananarivo mba hitondra am-bavaka ihany  koa , tsy fantatra na ahoana na ahona fa  RAVA ilay fanafihan'ny dahalo. Nisy tamin'ny namanay efa nahita ny maraina fa nisy lehilahy maromaro mipetraka nijery ny toerana nitobianay izay samy nanana basy vita gasy eny am-balahany .ISAORANA JESOSY fa TSY NISY ILAY FANAFIHANA rava noho ny famindrampon'JESOA KRISTY.

 

Ny hamaranana azy dia hoe TSARA JESOA, MPANAO TSARA IZY ary tiany Hovonjena ny olona rehetra ary mila ahy sy ianao hitondra ny famonjena hatrany amparan'ny tany.

 

DERAINA YHVH deraina mandrakizay mandrakizay amin'ny alalan'i YAHSUAH HA MACHIACH (JESOA KRISTY ).AMEN dia AMEN


11/10/2018
0 Poster un commentaire

Ady natrehana Jiona sy Jolay 2018

Maro ny zavatra nanamarika ny volana jiona 2018, nahatondra olona maro tao amin'ny JESOA KRISTY aho, nanaiky izy ireo ny maha olona mpanota azy araka ny voasoratra hoe: Tsy misy marina na dia iray akory aza;(Rom :3:10),ka mila mibebeka ary  mila an'i JESOA hahazoany famonjena sy fiainana MANDRAKIZAY.

 

Tamin'ny tapatapaky ny volana Jolay 2018 dia nisy tamin'ireny olona nanaiky an'i JESOA ho TOMPO sy MPAMONJY ireny no nantsoin'i RAY hody any AMINY(Tonton Riry). Inoako fa efa ao amin'ilay JEROSALEMA vaovao izy izay.

 

Ary vao omaly alakamisy 2 Aout 2018 tamin'ny 16 ora 30 minitra dia nisy iray hafa nantsoin'i JESOA hody ihany koa. Naterinay tamin'ny alalan'ny vavaka teo anaterahan'ny JESOA izy omaly. Rehefa namaky salamo faha 23 izahay ary nivavaka , notohizana hatrany amin'ny salamo faha 26 dia natsahatra ny vavaka sy famakiana salamo fa LASA i Dadatoa Zaba. Tony dia tony izy teo amin'ny fanatrehan'i JESOA ary tsy nijaly. Mino sy manan-tena izahay fa efa eo akaik'i JESOA izy izay satria efa nanaiky AZY ho TOMPO sy MPAMONJY tamin'ny volana jiona 2018. Isaorana JESOA nampivahiny azy tety an-tany ary naka azy ho any amin'ilay toerana nambaran'i JESOA fa namboariny ho an'ireo olona izay tia AZY.

 

Mandalo ny fianana eto an-tany, ary mbola tian'i JESOA hitohy mandrakizay izay fiainana izay,izany ny antony nidinany tety an-tany hamonjy ny olona rehetra.

 

Mibebaha, minoa an'i JESOA , raiso ny famonjena raha te handova FIAINANA eo anilan'i JESOA KRISTY.

 

Hoy JESOA : Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao?


 

AMEN.

 

 


03/08/2018
0 Poster un commentaire

Batisa an'i Ariela

Natao batisa tamin'ny 22 avril 2018 teo i Ariela kely. Nampidirina ho isan'ireo vahoak'i ELOHYM izy. Maro ireo havana nanotrona tamin'izany . Niara nientana izahay mpiraitam-po tamin'ny fanatanterahana ny batisa. Nivory isaky ny hariva nandritra ny herin'andro nanao ny fandaminana sy ny fizarana raharaha. Tao ny niantsena, tao ny nanao raharaha, tao ny nandamina trano sns....., niara nientana hatramin'ny ankizy tamin'ny fibatana ireo fitaovana maro hampiasaina(latabatra, seza,...) .

 

Mora ny fandaminana satria izay zavatra nilaina rehetra dia toa efa voalahatr'ilay MPAHARY daholo, na ireo olona hiara-miasa amin'ny fanatanterahana izany.

 

Olona teo amin'ny 40 izahay no niaraka nisakafo tao aorian'ny batisa ka natao tao an-trano ihany. Isaorana JESOA tamin'ny fahavitan'ny Batisan'ny rano sy Batisan'ny AFO.

 

Isaorana ADONAY ELOHYM tamin'ny zavatra nataony tamin'io fotoana io. Isaorana mandrakizay anie ny ANARANY MASINA . IZY irery ihany no ANDRIAMANITRA fa tsy misy ANDRIAMANITRA ankoatrany. AMEN

ariela2.jpgariela 1.jpg



Salamo 72:19 :Ary isaorana mandrakizay anie ny anarany malaza; ary aoka ny tany rehetra ho henika ny voninahiny. Amena dia Amena.



25/04/2018
0 Poster un commentaire