TOVO_HOLY_TOAVINA IRINA_TENDRY ANDRAINA_MIAMINA ARIELA TEFISOA

 TOVO_HOLY_TOAVINA IRINA_TENDRY ANDRAINA_MIAMINA ARIELA TEFISOA

TAONA 2008

Momba ny taona 2008 rehetra


Fahafatesan'i Mama ga sy Neny












Maty tampoka i Neny; tamin'ny 15 avril 2008 tamin'ny 19 h 30 no maty neny tao befelatanana. fony fahavelony dia niasa tao amin'ny hôpital des enfants tsaralalana neny, nanao ny asany tamim-pitiavana izy nikarakara ireo zaza marary tao amin'io hôpital io.Neny a mahatsiaro anao foana izahay, mandria am-piadanana ry neny malala.
Ny ampitson'io izany hoe ny 16 avril 2008 tamin'ny 13 h 30 dia maty indray koa i Mama ga , nisy fahoriana roa sosona tao an-trano tamin'io fotoana io. Tsy mbola nisy fahoriana tahaka izany tsy accident nefa dia fahoriana 2 sosona be izao, Jehovah ô fa inona no antony , Jehovah ô , jehovah ô........Jehovah ô, Jesoa Kristy ô ........Ny zavatra rehetra izay natao JEHOVAH dia misy antony avokoa. Ny finoanay fianakavian'i mama ga sy neny dia indray andro any izahay dia mbola hiaona indray amin'izy ireo, natory fotsiny ry zareo aloha mandram-pahatongan'ny fotoana voatendry !



25/04/2008
0 Poster un commentaire

TENDRY ANDRAINA

Teraka tamin'ny alahady faha 27 Janvier 2008 tamin'ny 21 ora sy 25 mn ny zanakay. Tendry Andraina RAMANANTSOA no nataonay anarany. Efa natolotray an'i Jesoa Kristy avy any Nazareta ny fiainany.

 

Na ny fahazazany , ny fahatanorany, na izay ho fianarana na asa hataony rehefa lehibe dia efa napetrakay teo anatrehan'i Kristy Jesoa. Ny finoanay dia ny mba hahatonga azy ho miaramila mpanitatra ny fanjakan'Andriamanitra izy.

 

Tamin'ny 20 ora 30 no niainga nankany @ Hopitaly izahay ary tonga tany tamin'ny 20 H 50 . Avy nividy fanafody aho dia efa teraka i Tendry Andraina. Nanena in 3 fotsiny i Holy . Isaorana ny Tompo Kristy.

Nisy ireo ankizy tao amin'ny STK no tonga namangy ary nanome ny tenin'Andriamanitra anjaran'i Tendry.

 

Manantitra fisaorana ireo nitondra am-bavaka tamin'iny : Rado, Hoby, Dominique, Xavier fa tena azo tsampain-tanana ny valim-bavaka. AMEN!!!!!

Dada sy Neny ary Toavina dia mankasitra an'i Jesoa tamin'ny nataony an'i Tendry.HOMBA AN'i TENDRY ANDRAINA RAMANANTSOA  NY TOMPO AMIN'NY ANDROM-PIAINANY REHETRA .AMEN!AMEN!AMEN!

 

25 Fevrier 2008

Narary voan'ny gripa mahery Tendry ary tsy maintsy naiditra Hopitaly tamin'ny alakamisy faha 14 Fevrier 2008 tany @ réanimation, ary naharitra herinandro vao nivoaka, efa natahotra izahay fa ho faty mihitsy i Tendry dia nivavaka izahay, ary rehefa nanontany an'Andriamanitra ny anton'izany aho dia izao ny teny azoko : il s'assiéra, fondra et purifiera l'argent; Il purifiera les fils de Lévi, Il les épurera comme on épure l'or et l'argent, Et ils présenteront à l'Eternel des offrandes avec justice.
4  Alors l'offrande de Juda et de Jérusalem sera agréable à l'Eternel, Comme aux anciens jours, comme aux années d'autrefois. (ezekela 3 :3-4) . Io ny teny azoko talohan'ny nivoahan'ny ny Hopitaly
.
Isaorana ny Tompo tamin'ny zavatra rehetra nataony na izay noheverinay ho soa izany na izay noheverinay ho loza. DERAINA ANIE JESOA KRISTY MPANJAKA MAHERY.

27/07/09

Niverim-berina matetika ny aretin ny Tendry , ilay mikohaka ka saika lasa nivadika fahasemporana, nisy mpiandry nanoro hevitra anay hoe ento eny Itaosy eny vinany fa misy spécialiste eny dia tena isaorana i Kristy fa tena nihatsara i Tendry (tany @ volana mars tany).

I pastera no ataon'ny ankizy surnom n i Tendry satria na dia feno boky mitandahatra aza eo akaikin'ny baiboly dia ny baiboly foana no raisiny. Ho tonga miaramilan' i Jesoa Kristy ihany izy raha rehefa ao aoriana ao.AMENA

 

TAONA 2009

TAONA 2011


21/02/2008
0 Poster un commentaire

Teny niverina

 click eto dia hitanao ny teny TENY FEVRIER 2007, efa azoko io teny tamin'ny 2007 nefa niverina indray. Efa akaiky izany ny fahatanterahany., ny Tompo tsy maha ela ny teny fikasany.AMEN DIA AMEN

ity le teny : Deo:6:1-25


  1. [Ny amin'ny fitiavana an'Andriamanitra] Ary izao no lalàna, dia ny didy sy ny fitsipika, izay nasain'i Jehovah Andriamanitrareo hampianarina anareo mba harahinareo any amin'ny tany izay alehanareo holovana, mba hatahoranao an'i Jehovah Andriamanitrao, hitandremanao ny lalàny rehetra sy ny didiny izay andidiako anao, dia ianao sy ny zanakao ary ny zafinao, amin'ny andro rehetra hiainanao, mba ho maro andro ianao.
  2. Koa mihainoa, ry Isiraely, ka mitandrema hanaraka izany, mba hahita soa ianao, ary mba hitomboanareo indrindra, araka izay nolazain'i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, taminao, dia any amin'ny tany tondra-dronono sy tantely.
  3. Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany.
  4. Ary tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra.
  5. Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao.
  6. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha any an-dalana, na mandry, na mifoha;
  7. ary fehezo ho famantarana eo amin'ny tananao ireny, ary aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin'ny handrinao,
  8. ary soraty eo amin'ny tolam-baravaran'ny tranonao sy eo amin'ny vavahadinao.
  9. Ary rehefa entin'i Jehovah Andriamanitrao ianao ho any amin'ny tany izay nianianany tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao homena anao, dia tany misy tanàna lehibe sady tsara, izay tsy nataonao,
  10. sy trano feno zava-tsoa rehetra, izay tsy nofenoinao, sy lavaka famorian-drano voalavaka eo amin'ny vato, izay tsy nolavahanao, sy tany voavoly voaloboka sy hazo oliva, izay tsy nambolenao, ary mihinana ianao ka voky,
  11. dia mitandrema fandrao hadinoinao Jehovah, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana.
  12. Matahora an'i Jehovah Andriamanitrao ianao, ka manompoa Azy, ary aoka ny anarany no hianiananao.
  13. Aza manaraka izay andriamani-kafa amin'ireny andriamanitry ny firenena manodidina anareo,
  14. fa Andriamanitra saro-piaro eo aminao Jehovah Andriamanitrao, fandrao hirehitra aminao ny fahatezeran'i Jehovah Andriamanitrao, ka hofongorany tsy ho eo ambonin'ny tany ianao.
  15. Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, tahaka ilay nakanareo fanahy Azy tao Masa.
  16. Tandremo tsara ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo sy ny teni-vavolombelony ary ny lalàny, izay efa nandidiany anao.
  17. Ary ataovy izay mahitsy sady tsara eo imason'i Jehovah, mba hahita soa ianao ary mba hidiranao handova ny tany soa izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanao homena azy,
  18. ary mba horoahiny tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, araka izay nolazain'i Jehovah.
  19. Ary raha manontany anao ny zanakao amin'ny andro ho avy ka manao hoe: Manao ahoana moa ny teni-vavolombelona sy ny didy ary ny fitsipika, izay efa nandidian'i Jehovah Andriamanitsika anareo?
  20. Dia holazainao aminy hoe: Andevon'i Farao tany Egypta isika, ary tanana mahery no nitondran'i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta.
  21. Ary Jehovah nanao famantarana sy fahagagana lehibe sady mandoza tamin'ny Egyptiana sy Farao ary ny ankohonany teo imasontsika.
  22. Ary nitondra antsika nivoaka avy tany Izy hampidirany antsika mba homeny antsika ny tany izay nianianany tamin'ny razantsika homena azy.
  23. Ary Jehovah nandidy antsika hanaraka ireo didy rehetra ireo sy hatahotra an'i Jehovah Andriamanitsika, mba hahita soa mandrakariva isika sy ho velona tahaka ny amin'izao anio izao.
  24. Ary ho fahamarinantsika ny mitandrina hanaraka izany didy rehetra izany eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitsika, araka izay efa nandidiany antsika.

    AMENA !AMENA !AMENA !AMENA !AMENA !AMENA !AMENA !AMENA !



23/01/2008
0 Poster un commentaire

TENY 2008

Mpitoriteny 11:6 Amin'ny maraina dia afafazo ny voanao, ary amin'ny hariva dia aza atsahatra tànanao; fa tsy fantatrao izay ho vanona, na ny teo aloha, na ny teo aoriana, na angamba samy ho vanona avokoa izy tonta

Io indray ny teny entina amin'ity taonao 2008 ity, napetraka ho taom-pamafazana ity taona ity eto anivon'ny fianakaviana Tovonirina RAMANANTSOA. Famafazana na eo amin'ny tenin'Andriamanitra izany na eo amin'ny sehatry ny fihariana, na eo amin'ny sehatry ny fianarana. Mila mamafy tsy ankijanona mandra-pahatapitry ny taona.

Ny finoako izany dia izao tsy maintsy misy vanona ny voa afafiko na ilay teo aloha na ilay ato aoriana na koa samy vanona araka ny voalaza ao amin'ny Mpitoriteny io.


21/01/2008
0 Poster un commentaire