TOVO_HOLY_TOAVINA IRINA_TENDRY ANDRAINA_MIAMINA ARIELA TEFISOA

 TOVO_HOLY_TOAVINA IRINA_TENDRY ANDRAINA_MIAMINA ARIELA TEFISOA

TENY 15 JUIN 2011

JEREMIA 33:1-14


MALAGASY

1 Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Dia ho Andriamanitry ny isam-pianakavian'ny Isiraely Aho, Ary izy ho oloko.

2 Izao no lazain'i Jehovah: Hahita[Na: Nahita.] fitia any an-efitra ny olona izay sisa tsy matin'ny sabatra; Handeha Aho ka hanome[Na: Nandeha Aho ka nanome.] fitsaharana ho an'ny Isiraely.

3 Tany lavitra any[Na: tamin'ny fahiny.] no nisehoan'i Jehovah tamiko ka nanao hoe: Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, Koa izany no nampaharetako famindrampo ho anao.

4 Mbola hanorina anao indray Aho, ka dia hiorina hianao, ry Isiraely virjina! Ary mbola hiravaka mitondra ny ampongatapakao hianaoKa hivoaka amin'ny dihin'ny mifaly.

5 Mbola hanao tanim-boaloboka ao amin'ny tendrombohitr'i Samaria hianao; Ny mpamboly dia hamboly sady hihinana ny vokatra.

6 Fa mbola hisy andro hiantsoan'ny mpitazana any amin'ny tany havoan'i Efraima hoe: Mitsangàna hianareo, ka andeha isika hiakatra any Ziona, Ho any amin'i Jehovah Andriamanitsika.

7 Fa izao no lazain'i Jehovah: Mihobia amin'ny fifaliana noho ny amin'i Jakoba, Ary mifalia noho ny amin'ny lohan'ny firenena, Torionareo, deraonareo, ka ataovy hoe: Jehovah ô, vonjeo ny olonao, dia ny sisa amin'ny Isiraely.

8 Indro, hitondra azy avy any amin'ny tany avaratra Aho Sy hanangona azy avy any amin'ny faran'ny tany, Ka dia samy ho eny aminy avokoa na ny jamba na ny mandringa, Na izay manan-anaka na izay mihetsi-jaza; Irai-dia marenina no hiverina aty.

9 Amin'ny fitomaniana no hihaviany, Ary amin'ny fifonany ny hitondrako azy; Ary ho entiko ho eny amoron'ny renirano izy, Amin'ny làlana mahitsy izay tsy hahatafintohina azy; Fa Rain'Isiraely Aho, Ary Efraima no lahimatoako.

10 Mihainoa ny tenin'i Jehovah, hianareo jentilisa, Ary torio any amin'ny tany amoron-tsiraka any lavitra any izany, Ka ataovy hoe: Izay nampiely ny Isiraely no hanangona azy indray Sady hitandrina azy toy ny fitandrin'ny mpiandry ondry ny ondriny.

11 Fa Jehovah efa nanavotra an'i Jakoba Sy efa nanafaka azy tamin'ny tànan'ny mahery noho izy.

12 Ka dia ho avy ireny ka hihoby ao amin'ny havoan'i Ziona, Dia hitanjozotra ho any amin'ny zava-tsoan'i Jehovah, Dia ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo sy ny zanak'ondry ary ny zanak'omby; Ary ny fanahiny ho toy ny tanimboly vonton-drano, Ka tsy hihamalazo intsony.

13 Ary amin'izany dia ho faly amin'ny fandihizana ny virjina Mbamin'ny zatovo sy ny antitra koa; Fa hampodiako ho fifaliana ny fitomaniany, Ka hampiononiko sy hampifaliko izy ho afaka alahelo.

14 Dia hovokisako zava-matavy ny fanahin'ny mpisorona, Ary ny oloko ho voky ny zava-tsoako, hoy Jehovah.



AMENA


16/06/2011
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 8 autres membres