TOVO_HOLY_TOAVINA IRINA_TENDRY ANDRAINA_MIAMINA ARIELA TEFISOA

 TOVO_HOLY_TOAVINA IRINA_TENDRY ANDRAINA_MIAMINA ARIELA TEFISOA

MARC RAVALOMANANA

Miarahaba antsika rehetra izay mamaky ity.Voafidy hitondra an'i Madagasikara indray A/toa Marc RAVALOMANANA mandritra ny 5 taona.

Tsara dia tsara ny MAP fa aiza ny vola entina hanodinana izany MAP izany.Tao anatin'ireny fahatsiarovana ny 29 mars 1947 ireny dia tonga tao an-tsaina ny hoe tena efa afaka eo am-pelatanan'ny mpanjanaka marina ve isika malagasy.Sao dia tonga ny fotoana hialana amin'ireto Banque mondiale sy ny FMI ireto. Fa ireto mihitsy no mampahantra antsika eto. Io indray izao ny endriky ny fanjanahana vaovao. Ny fanontanina mipetraka dia hoe : inona ny tetik'ady hialana amin'ireo Banque mondiale ireo satria ireo ny fahavalontsika.

Entina hampiheritreretana antsika tanora koa io e.

Tena nilaina ve ny nanaovana iny fitsapa-kevi-bahoaka iny. Hitondra inona ho an'ny firenenana Malagasy ny nampahalany ny ENY, hitondra inona ho an'ny mpitondra fanjakana ihany koa iny. Tena handroso amin'ny alalan'io ve ny firenena sa mety ny tombontsoan'olon-tokana no handroso ao anatin'io? Aleo ho hita eo. Ny hafatra hampitaina fotsiny dia  tamin'ny taona 2002 dia "mino fotsiny ihany" ny teny nentin'i A/toa Marc RAVALOMANANA, nanantena daholo ny rehetra fa hiditra amin'ny tany kanana. Raha jerena ny resaka infrastructure dia betsaka no vita, nefa tokony jerena mifanindry an-dalana amin'izay koa ny fiainan'ny vahoaka.An'i Jehovah ny fahefana, azy ny tany sy ny lanitra sy izay rehetra eo aminy, ny olona izay mahazo fahefana indrindra fa kristiana izy dia fitaovana entin'Andriamanitra hanatanteraka ny sitrapony.

Tena mizotra araka ny sitrapon'Andriamanitra ve ny fitantanana ity firenena Malagasy ity.Raha eny :Mangataka aho mba harotsak'i Jehovah amin'ny mpitondra sy ny taranany ny fitahiana amby ampy. Raha tsia kosa no valiny dia Jehovah anie hahatanteraka fangidiana eo amin'ny fiainan'izay mampahory ny vahoakany. Amen !Amen !Amen

 

 

 



18/04/2007
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 8 autres membres