Articles

Catégorie TAONA 2009:

Misy ireo zavatra mandritra ity taona 2009 ity


Fidiran'i toavina nianatra 7/10/10

Vao  tamin'ny 5 ora sy 30 mn(07/10/10) dia efa taitra i toavina fa hoe andeha hianatra, rehef tonga ny ampitso izany hoe ny 08/10/10 dia hoy izy hoe : dada mbola mazoto hianatra aho. Mahafinaritra ry zandry tohizo ny fahazotoana fa tsara, mianara tsara fa hafa ihany ny mianatra e. Hita ato anaty vidéo ato ny momba izany.
Posté le 13/10/2009 | 2 consultations | 0 commentaires | Voir et commenter l'article

Mahajanga 2009

Tany mahajanga no nanao fialan-tsasatra izahay tamin'ity taona ity teo (13 -20 sept) nahafinaritra ny vacances. ireto ny video momba izany. Tany amborovy no nipetraka izahay , midina 2mn dia tonga eny amoron'ny ranomasina, nandeha tany amin'ny lac sacré ihany koa nitsangatsanganana.


Posté le 01/10/2009 | 0 consultations | 0 commentaires | Voir et commenter l'article

TENY 2009


EKSODOSY 23: 20-33

 INDRO, Izaho maniraka Anjely eo alohanao hiaro anao any an-dàlana sy hitondra anao ho any amin'ny fitoerana izay namboariko.

21 Mitandrema eo anatrehany, ka mi­hainoa ny feony, ary aza mampahatezitra Azy; fa tsy hamela ny fahotanareo Izy; fa ny anarako no ao aminy.

22 Fa raha hihaino ny feony tokoa hianao ka hanao izay rehetra lazaiko, dia ho fahavalon'ny fahavalonao sy ho rafin'ny rafinao Aho.

23 Fa handeha eo alohanao ny Anjeliko ka hitondra anao any amin'ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Kananita sy ny Hivita ary ny Jebosita; ary dia hofongorako ireny,

24 Aza miankohoka eo anatrehan'ny andria­manitr'ireny hianao, na manompo azy, na manao araka ny ataony; fa aringano tokoa izy, ary torotoroy tokoa ny tsangam-baton-tsampiny.

25 Fa manompoa an'i Jehovah Andria­manitrareo, dia hitahy ny haninao sy ny ra­nonao Izy; ary hesoriko aminao ny aretina.

26 Tsy hisy ho afa-jaza na ho momba ao amin'ny taninao; hotanterahiko ny isan'ny andronao.

27 Hampandeha ny fahatahorana Ahy eo alohanao Aho ka hampifanaritaka ny firenena rehetra izay alehanao, ary hampiamboho ny fahavalonao rehetra anao Aho.

28 Ary hampandeha fanenitra eo alohanao Aho, ka handroaka ny Hivita sy ny Kananita ary ny Hetita eo alohanao ireny.

29 Tsy handroa­ka azy eo alohanao amin'ny taona iray Aho, fandrao ho lao ny tany, ka hihamaro hamely anao ny bibi-dia.

30 Tsikelikely no handroahako azy eo alohanao mandra-pahamaronao ka handova ny tany.

31 Ary hatramin'ny Ranomasina Mena ka hatramin'ny ranomasin'ny Filistina no hataoko fari-taninao, ary hatramin'ny efitra ka hatramin'ny Ony; fa hanolotra ny mponina amin'ny tany ho eo an-tànanareo Aho; ary handroaka azy eo alohanao hianao.

32 Aza manao fanekena aminy na amin'ny andria­maniny hianao.

33 Tsy honina eo amin'ny taninao ireny, fandrao hampanota anao ami­ko; fa raha manompo ny andriamaniny hianao, dia ho fandrika aminao tokoa izany,

27/07/09

Efa nanomboka nandrodana ny tsangam-baton-tsampy izahay , ho tanisaina eto ihany ireo doany efa nanaovana fandrodanana amin'ny manaraka , mahery i Jesoa kristy ary dia tsy manana hery intsony ireny doany izay nanaovana fandrodanana ireny. Amena.

Marihina fa amin'ireny doany ireny dia misy toerana fanaovana sorona dia ireny misy no ametrahanay tanana sy angatahanay ny rà jesoa kristy handrava ny herin i satana ka tsy hisy fitahiana, na fanasitranana intsony eo amin'ireny toerana ireny fa famitahan'iny satana olona fotsiny ny hoe fitahiana sy fanasitranana any amin'ireny doany ireny.

Ao amin'i Jesoa Kristy irery ihany no misy fanasitranana sy misy ny fitahiana rehetra. AMENA.

Mila masina isan'ora sy minitra sy segondra ireo miaramila mpiantafika fa manjary tsy matanjaka ny pouvoir izay efa nomen'i jesoa Kristy.


Posté le 11/05/2009 | 10 consultations | 0 commentaires | Voir et commenter l'article

Rechercher dans les articles

Vous recherchez ? :