Momba ny taona 2008 rehetra
Maty tampoka i Neny; tamin'ny 15 avril 2008 tamin'ny 19 h 30 no maty neny tao befelatanana. fony fahavelony dia niasa tao amin'ny hôpital des enfants tsaralalana neny, nanao ny asany tamim-pitiavana izy nikarakara ireo zaza marary tao amin'io hôpital io.Neny a mahatsiaro anao foana izahay, mandria am-piadanana ry neny malala.
Ny ampitson'io izany hoe ny 16 avril 2008 tamin'ny 13 h 30 dia maty indray koa i Mama ga , nisy fahoriana roa sosona tao an-trano tamin'io fotoana io. Tsy mbola nisy fahoriana tahaka izany tsy accident nefa dia fahoriana 2 sosona be izao, Jehovah ô fa inona no antony , Jehovah ô , jehovah ô........Jehovah ô, Jesoa Kristy ô ........Ny zavatra rehetra izay natao JEHOVAH dia misy antony avokoa. Ny finoanay fianakavian'i mama ga sy neny dia indray andro any izahay dia mbola hiaona indray amin'izy ireo, natory fotsiny ry zareo aloha mandram-pahatongan'ny fotoana voatendry !
Teraka tamin'ny alahady faha 27 Janvier 2008 tamin'ny 21 ora sy 25 mn ny zanakay. Tendry Andraina RAMANANTSOA no nataonay anarany. Efa natolotray an'i Jesoa Kristy avy any Nazareta ny fiainany.
Na ny fahazazany , ny fahatanorany, na izay ho fianarana na asa hataony rehefa lehibe dia efa napetrakay teo anatrehan'i Kristy Jesoa. Ny finoanay dia ny mba hahatonga azy ho miaramila mpanitatra ny fanjakan'Andriamanitra izy.
Tamin'ny 20 ora 30 no niainga nankany @ Hopitaly izahay ary tonga tany tamin'ny 20 H 50 . Avy nividy fanafody aho dia efa teraka i Tendry Andraina. Nanena in 3 fotsiny i Holy . Isaorana ny Tompo Kristy.
Nisy ireo ankizy tao amin'ny STK no tonga namangy ary nanome ny tenin'Andriamanitra anjaran'i Tendry.
Manantitra fisaorana ireo nitondra am-bavaka tamin'iny : Rado, Hoby, Dominique, Xavier fa tena azo tsampain-tanana ny valim-bavaka. AMEN!!!!!
Dada sy Neny ary Toavina dia mankasitra an'i Jesoa tamin'ny nataony an'i Tendry.HOMBA AN'i TENDRY ANDRAINA RAMANANTSOA NY TOMPO AMIN'NY ANDROM-PIAINANY REHETRA .AMEN!AMEN!AMEN!
25 Fevrier 2008
Narary voan'ny gripa mahery Tendry ary tsy maintsy naiditra Hopitaly tamin'ny alakamisy faha 14 Fevrier 2008 tany @ réanimation, ary naharitra herinandro vao nivoaka, efa natahotra izahay fa ho faty mihitsy i Tendry dia nivavaka izahay, ary rehefa nanontany an'Andriamanitra ny anton'izany aho dia izao ny teny azoko : il s'assiéra, fondra et purifiera l'argent; Il purifiera les fils de Lévi, Il les épurera comme on épure l'or et l'argent, Et ils présenteront à l'Eternel des offrandes avec justice.
4 Alors l'offrande de Juda et de Jérusalem sera agréable à l'Eternel, Comme aux anciens jours, comme aux années d'autrefois. (ezekela 3 :3-4) . Io ny teny azoko talohan'ny nivoahan'ny ny Hopitaly. Isaorana ny Tompo tamin'ny zavatra rehetra nataony na izay noheverinay ho soa izany na izay noheverinay ho loza. DERAINA ANIE JESOA KRISTY MPANJAKA MAHERY.
27/07/09
Niverim-berina matetika ny aretin ny Tendry , ilay mikohaka ka saika lasa nivadika fahasemporana, nisy mpiandry nanoro hevitra anay hoe ento eny Itaosy eny vinany fa misy spécialiste eny dia tena isaorana i Kristy fa tena nihatsara i Tendry (tany @ volana mars tany).
I pastera no ataon'ny ankizy surnom n i Tendry satria na dia feno boky mitandahatra aza eo akaikin'ny baiboly dia ny baiboly foana no raisiny. Ho tonga miaramilan' i Jesoa Kristy ihany izy raha rehefa ao aoriana ao.AMENA
click eto dia hitanao ny teny TENY FEVRIER 2007, efa azoko io teny tamin'ny 2007 nefa niverina indray. Efa akaiky izany ny fahatanterahany., ny Tompo tsy maha ela ny teny fikasany.AMEN DIA AMEN
Mpitoriteny 11:6 Amin'ny maraina dia afafazo ny voanao, ary amin'ny hariva dia aza atsahatra tànanao; fa tsy fantatrao izay ho vanona, na ny teo aloha, na ny teo aoriana, na angamba samy ho vanona avokoa izy tonta.
Io indray ny teny entina amin'ity taonao 2008 ity, napetraka ho taom-pamafazana ity taona ity eto anivon'ny fianakaviana Tovonirina RAMANANTSOA. Famafazana na eo amin'ny tenin'Andriamanitra izany na eo amin'ny sehatry ny fihariana, na eo amin'ny sehatry ny fianarana. Mila mamafy tsy ankijanona mandra-pahatapitry ny taona.
Ny finoako izany dia izao tsy maintsy misy vanona ny voa afafiko na ilay teo aloha na ilay ato aoriana na koa samy vanona araka ny voalaza ao amin'ny Mpitoriteny io.