Articles

Fidiran'i toavina nianatra 7/10/10

Vao  tamin'ny 5 ora sy 30 mn(07/10/10) dia efa taitra i toavina fa hoe andeha hianatra, rehef tonga ny ampitso izany hoe ny 08/10/10 dia hoy izy hoe : dada mbola mazoto hianatra aho. Mahafinaritra ry zandry tohizo ny fahazotoana fa tsara, mianara tsara fa hafa ihany ny mianatra e. Hita ato anaty vidéo ato ny momba izany.
Posté le 13/10/2009 | 2 consultations | 0 commentaires | Voir et commenter l'article

Mahajanga 2009

Tany mahajanga no nanao fialan-tsasatra izahay tamin'ity taona ity teo (13 -20 sept) nahafinaritra ny vacances. ireto ny video momba izany. Tany amborovy no nipetraka izahay , midina 2mn dia tonga eny amoron'ny ranomasina, nandeha tany amin'ny lac sacré ihany koa nitsangatsanganana.


Posté le 01/10/2009 | 0 consultations | 0 commentaires | Voir et commenter l'article

TENY 2009


EKSODOSY 23: 20-33

 INDRO, Izaho maniraka Anjely eo alohanao hiaro anao any an-dàlana sy hitondra anao ho any amin'ny fitoerana izay namboariko.

21 Mitandrema eo anatrehany, ka mi­hainoa ny feony, ary aza mampahatezitra Azy; fa tsy hamela ny fahotanareo Izy; fa ny anarako no ao aminy.

22 Fa raha hihaino ny feony tokoa hianao ka hanao izay rehetra lazaiko, dia ho fahavalon'ny fahavalonao sy ho rafin'ny rafinao Aho.

23 Fa handeha eo alohanao ny Anjeliko ka hitondra anao any amin'ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Kananita sy ny Hivita ary ny Jebosita; ary dia hofongorako ireny,

24 Aza miankohoka eo anatrehan'ny andria­manitr'ireny hianao, na manompo azy, na manao araka ny ataony; fa aringano tokoa izy, ary torotoroy tokoa ny tsangam-baton-tsampiny.

25 Fa manompoa an'i Jehovah Andria­manitrareo, dia hitahy ny haninao sy ny ra­nonao Izy; ary hesoriko aminao ny aretina.

26 Tsy hisy ho afa-jaza na ho momba ao amin'ny taninao; hotanterahiko ny isan'ny andronao.

27 Hampandeha ny fahatahorana Ahy eo alohanao Aho ka hampifanaritaka ny firenena rehetra izay alehanao, ary hampiamboho ny fahavalonao rehetra anao Aho.

28 Ary hampandeha fanenitra eo alohanao Aho, ka handroaka ny Hivita sy ny Kananita ary ny Hetita eo alohanao ireny.

29 Tsy handroa­ka azy eo alohanao amin'ny taona iray Aho, fandrao ho lao ny tany, ka hihamaro hamely anao ny bibi-dia.

30 Tsikelikely no handroahako azy eo alohanao mandra-pahamaronao ka handova ny tany.

31 Ary hatramin'ny Ranomasina Mena ka hatramin'ny ranomasin'ny Filistina no hataoko fari-taninao, ary hatramin'ny efitra ka hatramin'ny Ony; fa hanolotra ny mponina amin'ny tany ho eo an-tànanareo Aho; ary handroaka azy eo alohanao hianao.

32 Aza manao fanekena aminy na amin'ny andria­maniny hianao.

33 Tsy honina eo amin'ny taninao ireny, fandrao hampanota anao ami­ko; fa raha manompo ny andriamaniny hianao, dia ho fandrika aminao tokoa izany,

27/07/09

Efa nanomboka nandrodana ny tsangam-baton-tsampy izahay , ho tanisaina eto ihany ireo doany efa nanaovana fandrodanana amin'ny manaraka , mahery i Jesoa kristy ary dia tsy manana hery intsony ireny doany izay nanaovana fandrodanana ireny. Amena.

Marihina fa amin'ireny doany ireny dia misy toerana fanaovana sorona dia ireny misy no ametrahanay tanana sy angatahanay ny rà jesoa kristy handrava ny herin i satana ka tsy hisy fitahiana, na fanasitranana intsony eo amin'ireny toerana ireny fa famitahan'iny satana olona fotsiny ny hoe fitahiana sy fanasitranana any amin'ireny doany ireny.

Ao amin'i Jesoa Kristy irery ihany no misy fanasitranana sy misy ny fitahiana rehetra. AMENA.

Mila masina isan'ora sy minitra sy segondra ireo miaramila mpiantafika fa manjary tsy matanjaka ny pouvoir izay efa nomen'i jesoa Kristy.


Posté le 11/05/2009 | 10 consultations | 0 commentaires | Voir et commenter l'article

FOTOANA FOHY

Indraindray variana mandany  ny fotoana amin'ny zavatra tsy dia misy dikany loatra isika, androany aho te hisarika ny saina hijery vetivety eto (8 minutes fotsiny)






Posté le 01/08/2008 | 33 consultations | 0 commentaires | Voir et commenter l'article

Fahafatesan'i Mama ga sy Neny












Maty tampoka i Neny; tamin'ny 15 avril 2008 tamin'ny 19 h 30 no maty neny tao befelatanana. fony fahavelony dia niasa tao amin'ny hôpital des enfants tsaralalana neny, nanao ny asany tamim-pitiavana izy nikarakara ireo zaza marary tao amin'io hôpital io.Neny a mahatsiaro anao foana izahay, mandria am-piadanana ry neny malala.
Ny ampitson'io izany hoe ny 16 avril 2008 tamin'ny 13 h 30 dia maty indray koa i Mama ga , nisy fahoriana roa sosona tao an-trano tamin'io fotoana io. Tsy mbola nisy fahoriana tahaka izany tsy accident nefa dia fahoriana 2 sosona be izao, Jehovah ô fa inona no antony , Jehovah ô , jehovah ô........Jehovah ô, Jesoa Kristy ô ........Ny zavatra rehetra izay natao JEHOVAH dia misy antony avokoa. Ny finoanay fianakavian'i mama ga sy neny dia indray andro any izahay dia mbola hiaona indray amin'izy ireo, natory fotsiny ry zareo aloha mandram-pahatongan'ny fotoana voatendry !



Posté le 25/04/2008 | 45 consultations | 0 commentaires | Voir et commenter l'article

TENDRY ANDRAINA

Teraka tamin'ny alahady faha 27 Janvier 2008 tamin'ny 21 ora sy 25 mn ny zanakay. Tendry Andraina RAMANANTSOA no nataonay anarany. Efa natolotray an'i Jesoa Kristy avy any Nazareta ny fiainany.

 

Na ny fahazazany , ny fahatanorany, na izay ho fianarana na asa hataony rehefa lehibe dia efa napetrakay teo anatrehan'i Kristy Jesoa. Ny finoanay dia ny mba hahatonga azy ho miaramila mpanitatra ny fanjakan'Andriamanitra izy.

 

Tamin'ny 20 ora 30 no niainga nankany @ Hopitaly izahay ary tonga tany tamin'ny 20 H 50 . Avy nividy fanafody aho dia efa teraka i Tendry Andraina. Nanena in 3 fotsiny i Holy . Isaorana ny Tompo Kristy.

Nisy ireo ankizy tao amin'ny STK no tonga namangy ary nanome ny tenin'Andriamanitra anjaran'i Tendry.

 

Manantitra fisaorana ireo nitondra am-bavaka tamin'iny : Rado, Hoby, Dominique, Xavier fa tena azo tsampain-tanana ny valim-bavaka. AMEN!!!!!

Dada sy Neny ary Toavina dia mankasitra an'i Jesoa tamin'ny nataony an'i Tendry.HOMBA AN'i TENDRY ANDRAINA RAMANANTSOA  NY TOMPO AMIN'NY ANDROM-PIAINANY REHETRA .AMEN!AMEN!AMEN!

 

25 Fevrier 2008

Narary voan'ny gripa mahery Tendry ary tsy maintsy naiditra Hopitaly tamin'ny alakamisy faha 14 Fevrier 2008 tany @ réanimation, ary naharitra herinandro vao nivoaka, efa natahotra izahay fa ho faty mihitsy i Tendry dia nivavaka izahay, ary rehefa nanontany an'Andriamanitra ny anton'izany aho dia izao ny teny azoko : il s'assiéra, fondra et purifiera l'argent; Il purifiera les fils de Lévi, Il les épurera comme on épure l'or et l'argent, Et ils présenteront à l'Eternel des offrandes avec justice.
4  Alors l'offrande de Juda et de Jérusalem sera agréable à l'Eternel, Comme aux anciens jours, comme aux années d'autrefois. (ezekela 3 :3-4) . Io ny teny azoko talohan'ny nivoahan'ny ny Hopitaly
.
Isaorana ny Tompo tamin'ny zavatra rehetra nataony na izay noheverinay ho soa izany na izay noheverinay ho loza. DERAINA ANIE JESOA KRISTY MPANJAKA MAHERY.

27/07/09

Niverim-berina matetika ny aretin ny Tendry , ilay mikohaka ka saika lasa nivadika fahasemporana, nisy mpiandry nanoro hevitra anay hoe ento eny Itaosy eny vinany fa misy spécialiste eny dia tena isaorana i Kristy fa tena nihatsara i Tendry (tany @ volana mars tany).

I pastera no ataon'ny ankizy surnom n i Tendry satria na dia feno boky mitandahatra aza eo akaikin'ny baiboly dia ny baiboly foana no raisiny. Ho tonga miaramilan' i Jesoa Kristy ihany izy raha rehefa ao aoriana ao.AMENA

 


Posté le 21/02/2008 | 37 consultations | 0 commentaires | Voir et commenter l'article

Teny niverina

 click eto dia hitanao ny teny TENY FEVRIER 2007, efa azoko io teny tamin'ny 2007 nefa niverina indray. Efa akaiky izany ny fahatanterahany., ny Tompo tsy maha ela ny teny fikasany.AMEN DIA AMEN


Posté le 23/01/2008 | 80 consultations | 0 commentaires | Voir et commenter l'article

TENY 2008

Mpitoriteny 11:6 Amin'ny maraina dia afafazo ny voanao, ary amin'ny hariva dia aza atsahatra tànanao; fa tsy fantatrao izay ho vanona, na ny teo aloha, na ny teo aoriana, na angamba samy ho vanona avokoa izy tonta

Io indray ny teny entina amin'ity taonao 2008 ity, napetraka ho taom-pamafazana ity taona ity eto anivon'ny fianakaviana Tovonirina RAMANANTSOA. Famafazana na eo amin'ny tenin'Andriamanitra izany na eo amin'ny sehatry ny fihariana, na eo amin'ny sehatry ny fianarana. Mila mamafy tsy ankijanona mandra-pahatapitry ny taona.

Ny finoako izany dia izao tsy maintsy misy vanona ny voa afafiko na ilay teo aloha na ilay ato aoriana na koa samy vanona araka ny voalaza ao amin'ny Mpitoriteny io.


Posté le 21/01/2008 | 40 consultations | 0 commentaires | Voir et commenter l'article

FITORIANA AMIN'NY ALALAN'ny INTERNET

<p>&lt;P&gt;&lt;FONT style="BACKGROUND-COLOR: #ffffff" color=#3333ff&gt;Ho fanonerako ireo ratsy efa vitako tamin'ny fahatanorako dia miezaka izaho hitory filazantsara amin'ny olona rehetra.Maro ireo fitaovana entina hitorina fa anisan'ny ampiasaiko ny Intérnet hitoriana ny filazantsara.&lt;/FONT&gt;&lt;/P&gt;<br>&lt;P&gt;&lt;FONT style="BACKGROUND-COLOR: #ffffff" color=#3333ff&gt;Avoakako eto ny anaran'ny olona izay manaiky an'i Kristy ho tompo sy mpamonjy amin'ny alalan'ny intérnet.Miditra any amin'ireo site misy tanora betsaka aho amin'ny alalan'ny chat dia eo izaho no mandresy lahatra azy fa misy fiainana mandrakizay efa nomanin'ny Tompo.Ny zavatra tsapa aloha dia tsy mety miresaka izany ny ankamaroan'ny ankizy fa manao resaka maloto.Izany indrindra no nahatonga ahy hanapa-kevitra fa betsaka ny asa mbola atao fa fitaovana mahery ataon'ny satana io hitaritana ny tanora hijangajanga raha tsy miambina.Ry TANORA izay mitonona ho KRISTIANA mijoro ka&amp;nbsp; mihazava fa tonga ny fahazavanao, betsaka ny asa mbola hefaina ary tsy maintsy mandray andraikitra isika aza manaiky hiditra ao anaty fitak'i satana fa reseo izy fa fahavalo efa resin'i Kristy.AMEN dia AMEN&lt;/FONT&gt;&lt;/P&gt;<br>&lt;P&gt;&lt;FONT color=#3333ff&gt;bible online azo téléchargé-na: &lt;A href="http://www.editionscle.com/"&gt;http://www.editionscle.com&lt;/A&gt;&lt;/FONT&gt;&lt;/P&gt;<br>&lt;P&gt;&lt;FONT color=#ff0000&gt;Baiboly malagasy &lt;/FONT&gt;: &lt;A href="http://www.baiboly.org/"&gt;http://www.baiboly.org/

Posté le 20/07/2007 | 52 consultations | 0 commentaires | Voir et commenter l'article

Ny fahitana nomen'i Jehovah an'i Tovo

Nahazo tenin'i Jehovah izaho tamin'ny alahady faha 15 jolay 2007 teo izay mikasika ny tantaran'i Gideona, nentiko teo amin'ny STK izany .Izao no tenin'ny Tompo raha fintinina:Tsy maintsy misy ny sivana eo amin'ny vahoakany , ary avy amin'ireo olona voafidy ireo no hiterizan'Andriamintra ny Sampana , toy izao ny Critère nomeny:(Mpitsara 7: iray manontolo)

tsy mahazo mangovitra na matahotra ary tsy maintsy vonona mandrakariva hiatrika ady, izay mangovitra sy matahotra dia mijanona rehefa misy tafika masina atao,Fantatro fa tsy maintsy hisy ireo olona hiemotra nefa izay mahafaly ny tompo no ataoko fa tsy olona satria izay no hahafahana mandroso bebe kokoa sy hitehirizana ny sampana.

Efa nahazo teny koa izaho ny amin'ny hanavaozan' i Kristy ny STK ILANIVATO, tamin'ny alakamisy faha 12/07/2007 tao aminn'ny APOKALIPSY  nanao hoe :"Indro fa havaoziko ny zavatra rehetra , ny osa, ny mpijangajanga, ny tsy mino dia hohelohina any amin'ny afo solifara" , tsy maintsy toriko amin'ny ankizy ireo sao adinina amiko raha tsy mitory izaho.

Izaho no nitondra fotoana omaly alahady 22 Juillet 2007 efa vitako ny mission , efa nambarako daholo izay tokony hambara, araka izay efa voalazako tery ambony.Eo ampiandrasana izay ho fahatanterahan'ny teny aho.Nahazo teny koa i zaho momba ny firenena tamin'ny nanao alim-bavaka tamin'ny zoma 20 juillet 2007tao amin'ny Isaia 29:13-14 (Hisy zava-mahagaga hataon'i Jehovah fa ity firenena ity manaja aza ami'ny molony fa ny fony lavatra an'i Jehovah)dia ho hita izay tohiny.Amen


Posté le 20/07/2007 | 46 consultations | 0 commentaires | Voir et commenter l'article

MARC RAVALOMANANA

Miarahaba antsika rehetra izay mamaky ity.Voafidy hitondra an'i Madagasikara indray A/toa Marc RAVALOMANANA mandritra ny 5 taona.

Tsara dia tsara ny MAP fa aiza ny vola entina hanodinana izany MAP izany.Tao anatin'ireny fahatsiarovana ny 29 mars 1947 ireny dia tonga tao an-tsaina ny hoe tena efa afaka eo am-pelatanan'ny mpanjanaka marina ve isika malagasy.Sao dia tonga ny fotoana hialana amin'ireto Banque mondiale sy ny FMI ireto. Fa ireto mihitsy no mampahantra antsika eto. Io indray izao ny endriky ny fanjanahana vaovao. Ny fanontanina mipetraka dia hoe : inona ny tetik'ady hialana amin'ireo Banque mondiale ireo satria ireo ny fahavalontsika.

Entina hampiheritreretana antsika tanora koa io e.

Tena nilaina ve ny nanaovana iny fitsapa-kevi-bahoaka iny. Hitondra inona ho an'ny firenenana Malagasy ny nampahalany ny ENY, hitondra inona ho an'ny mpitondra fanjakana ihany koa iny. Tena handroso amin'ny alalan'io ve ny firenena sa mety ny tombontsoan'olon-tokana no handroso ao anatin'io? Aleo ho hita eo. Ny hafatra hampitaina fotsiny dia  tamin'ny taona 2002 dia "mino fotsiny ihany" ny teny nentin'i A/toa Marc RAVALOMANANA, nanantena daholo ny rehetra fa hiditra amin'ny tany kanana. Raha jerena ny resaka infrastructure dia betsaka no vita, nefa tokony jerena mifanindry an-dalana amin'izay koa ny fiainan'ny vahoaka.An'i Jehovah ny fahefana, azy ny tany sy ny lanitra sy izay rehetra eo aminy, ny olona izay mahazo fahefana indrindra fa kristiana izy dia fitaovana entin'Andriamanitra hanatanteraka ny sitrapony.

Tena mizotra araka ny sitrapon'Andriamanitra ve ny fitantanana ity firenena Malagasy ity.Raha eny :Mangataka aho mba harotsak'i Jehovah amin'ny mpitondra sy ny taranany ny fitahiana amby ampy. Raha tsia kosa no valiny dia Jehovah anie hahatanteraka fangidiana eo amin'ny fiainan'izay mampahory ny vahoakany. Amen !Amen !Amen

 

 

 


Posté le 18/04/2007 | 56 consultations | 0 commentaires | Voir et commenter l'article

Toavina kely

Trotron'i Miora i Toavina. Ho volavolaina ho tonga miaramilan'i Jesoa Kristy io Toavina kely io . Izao dia efa resahana ny momba ny famonjena efa vitan'izany Jesoa Kristy izany izy. 5 volana mahery izy eto.

OK

Efa ho 11 volana izao toaviana amin'ity volana jolay 2007 ity, miresaka be izy ary milalao be ihany koa.

 

 

 


Posté le 08/03/2007 | 62 consultations | 0 commentaires | Voir et commenter l'article

Fifidianana ho filohan'ny STK

Ity taona 2007 ity dia napetra hoe taonan'ny Fahasoavana sy Fandresena teo anivon'ny Fianakaviana RAMANANTSOA SIMON tamin'ny fotoam-bavaka natao tamin'ny voalohan'ny taona 2007. Izay rehetra niara-nivavaka tao ka mino izany dia tanteraka aminy izany.

I Tovo no nitondra ny fotoana tamin'io fotoana io.

Inoako (Tovo) tsy ampihampahambana io teny nentina io ary tsy maintsy tanteraka.

Niatrika ny fifidianana izay ho filoha hitantana azy mandritry ny 4 taona ny STK eto Ilanivato ka dia napetrak'Andriamanitra tamiko ny fitondrana.Tsy maintsy entina ny faneva eo amin'ny fametrahana ny fanjakan'Andriamanitra.Izaho dia fitaovana ampiasaina fotsiny.

Amen dia Amen

 

04/02/08

Herin-taona izay no naha voafidy ahy ho filohan'ny sampana, ny mission ho tanterahiko dia ny HAMOLAVOLA TANORA MATANJAKA ARA-PANAHY SY VATANA ARY SAINA ho miaramila tena mpandresin'i KRISTY, mahasahy hisedra ny devoly sy satana sy ny miaramilany satria EFA RESY tao KALVARY IREO AMEN, HANAO HO ADIDY ARY ANDRAIKITRA NY FITORIANA NY FILAZANTSARA AMIN'NY MPIARA-BELONA IZAY MIANTOMBOKA AO @ ANKOHONANA, FIANAKAVIANA ary NY FIRENENA. Toy izao ny fahazotoana tamin'ny 2007 tsindrio eto , ary raha hijery ny famintinana amin'ny graph (statistique) ny fahazotoana dia tsindrio eto

 

Tsapako fa tena tsy mora ny manara-dia an'Andrimanitra, maro ny sacrifice tsy maintsy atao, rehefa manara-dia an'i Jesoa, maro ireo fisedrana na eo anivon'ny sampana izany na eo anivon'ny fianakaviana. Tsy nampoiziko ho sarotra ny lalana izay ho diavina. Ny zavatra tsapaka dia rehefa manompo an'i Kristy dia tsy mahazo miantehitra amin'ny herin'ny tena (Saina, vatana, ....) fa tsy maintsy miantehitra amin' izy tompon'ny asa.

Izao ny hevitra nomen'Andriamanitra ahy @ taona 2008 ity:

1°] Hanao opération baiboly maimaimpoana ho an'ny ankizy tsy manana ao anaty sampana aloha dia izahay samy ankizy ihany no mifanohana ary rehefa vita ny ao anaty sampana dia mety entina eo anivon'ny fiangonana koa izany hevitra izany .

2°] Hasaina manangana alitara ao an-tokantrano ny ankizy rehetra

3°] Suivi amin'ny fananganana alitara isan-tokantrano.

"FANTATRAO VE ISAKY NY 77 SEGONDRA DIA MISY OLONA IRAY VERY ANY @ AFOBE IZANY NO NANOSIKA ANAY HITORY NY FILAZANTSARA.

 

Ry rahalahy sy anabavy , mba fantatrao ve handeha hoa aiz ianao raha hiala amin'ity tany fandalovana ity. Ho any amin'ny afobe ve sa ho any amin'ny paradisa hiaraka amin'i Jesoa Krsity . Raha hisafidy ny ho any amin'ny paradisa ianao dia ataovy izao vavaka izao (ataovy @ finoana)

 

 

Jesoa Kristy ô mihaiky aho fa mpanota tsy mendrika anao akory, mangataka ny rà izay nalatsakao tany kalvary aho mba hanadio ahy, vohaiko ny varavaran'ny foko ary midira ao anatiko ianao, ekeko ianao ho Tompoko sy Mpamonjiko.AMENA

 

 

Manomboka tamin'ny nanaovanao io vavaka io dia lasa zanak'Andriamanitra ianao ary tokony hanana fiainam-bavaka ary tokony hamaky baiboly araka izay vitanao. HOMBA ANAO ANIE JESOA KRISTY . AMENA

 

 

 

Mety manana olana ianao, na misy zavatra tianao ho entina am-bavaka na mila fanampim-panazavana amin'io zavatra voalaza etsy ambony io , antsoy ireto n° ireto fa vonona hitondra am-bavaka anao.

Contact:

033 14 726 78

032 43 150 40

033 12 945 05

034 18 05561

032 55 370 40

032 51 844 87




Zao vao afaka nanoratra eto, marina izay nolazaiko ao ambony ao fa tsy mora ny manompo an'i jesoa kristy fa maro ireo sedra tsy maintsy hatrEana. Tamin'iny taona 2008 ity no nahafaty any neny 4 andro tao aorian'ny anniversaire sady izay indray niaraka maty izy mama ga . Simba ihany koa ny orinasa izay natsangako tany moramanga, nividy tanin-kinina 10ha tany moramanga aho ary dia niditra faillite , rava izay natsangako. Tsy nety nanao izay fomban-drazana aho tany(mamono akoho lahy , mandraraka taoka....) fa vavaka no nataoko alohan'ny nanombohan'ny asa  , 18 km miala ny ville no nisy ilay toerana, làlana mankany anosibe an'ala. Naratra ny mpiasa sasany, may ny lasy ny mpiasa sasany, kivy ireo mpiasa fa idiran'andro koa ny ankamaron'izy ireo, nisy ny nandeha nody. Mangony fotsiny ny aretina izay nahazo ny zanako , todiko ihany ny taona 2008 ary nahatratra ny taona 2009 ihany aho noho ny fitiavan'i Jesoa kristy.

Fa ity taona 2009 ity kosa dia taom-pandresena ity ho ahy, tsy nahalavo ahy satana fa manana mpiandry tsara aho, ary fanahy mahery no nomena ahy, efa nateraka ho mpandresy tahaka an'i jesoa kristy aho ary tsy maintsy mitaona olona hoa azy mandram-pialako eto an-tany. AMENA.

 Tsy maintsy vitako ny mission ao amin'ny sampana tanora kristiana ilanivato dia ny hamolavola tanora mahery ho an'i Jesoa Kristy handrombaka ny fanjakan eny an-tanan'i satana ary hamerina izany fanjakana izany amin'i Jesoa Kristy avy any Nazareta. Amena

 

07/09/09

Indro misy hafatra fohy ho antsika mpikambana ao amin'ny stk ilanivato

 




Posté le 08/03/2007 | 63 consultations | 1 commentaires | Voir et commenter l'article

Tsy titre

26-06-08


Posté le 13/11/2006 | 77 consultations | 1 commentaires | Voir et commenter l'article

DADAN'NY TOAVINA

io Tovo dadan'i ToavinaTOVO NO ANARAKO MANGOTRAKA BE NY TANTARAKO EH

 


Posté le 08/11/2006 | 196 consultations | 0 commentaires | Voir et commenter l'article

Rechercher dans les articles

Vous recherchez ? :